Sosialy

Federasiona miaro ny zon’ny mpanjifa « Tsy mahavaha olana ny governemanta »


  • Alarobia 13 Jolay 2022

Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly ny federasiona miaro ny zon’ny mpanjifa ahitana ireo fikambanana miisa 7 toy ny MCI, ny FIMMPAMA, ny SCAE PC, ny AVDCC…

Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy rariny intsony ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny ka anisan’ireny ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Mbola niakatra ihany koa ny saran-dalana hoy izy ireo, nanomboka omaly, hantsana lalina izay azo tsapain-tanana fa tena handetehana ny fiainam-bahoaka ka tokony ho tonga saina ilay fanjakana. Tsy mahavaha olana io governemanta mijoro io hoy hatrany izy ireo ary tsy mendrika ny hitantana intsony. Nomarihin’izy ireo ombieny ombieny fa mijaly ny vahoaka Malagasy. Izay manana ihany sisa no manana eto amintsika fa ireo sahirana milentika hatrany ny fari-piainany. Zara raha mahita hanin-kohanina indray mandeha isan’andro sisa vokatry ny hasarotan’ny fiainana ny isan-tokantrano koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny fanjakana. Ho an’ireo mpiasa mandoa saran-dalana isan’andro moa dia nomarihin’izy ireo fa ankoatra ny sakafo efa ambany foitra dia hamely ihany koa ny dia an-tongotra noho ny tsy fahampian’ny ho enti-manana ka tsy hahagaga intsony raha betsaka ireo ho lasibatry ny aretina sy mety hamoy ainy tsy fidiny mihitsy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT