Sosialy

Fatin-jazakely hita etsy sy eroa Vokatry ny tsy fisian’ny fanabeazana ara-pananahana


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Fatin-jazakely maromaro no hita nisy nanary teto amintsika tamin’iny herinandro nivalona iny izay samy tamina toerana samihafa avokoa. Naneho ny heviny mahakasika izany Atoa Jeruville Andriamasinirina, manam-pahaizana manokana momba ny resaka fananahana

 

 

( sexologue) eto Madagasikara ka nambarany tamin’izany fa vokatry ny tsy fahampiana na tsy fisian’ny fanabeazana ara-pananahana eto amintsika no mahatonga ireny rehetra ireny. Aorian’ny fahataperan’ny fihibohana aza hoy izy dia ahiana ho zazavavy kely maro no hitondra vohoka na hanala zaza vokatry ny tsy fahafehezan’ny lehilahy ny tenany eny anivon’ny fiaraha-monina. Ilaina ny fanabeazana ara-pananahana araka izany hoy hatrany ity sexologue ity. Manomboka amin’ny fanefena ny toe-tsain’ny lehilahy izany hoy izy mba hahaizan’izy ireny mifehy tena sy hahatsapany fa tsy kilalao ny firaisana ara-nofo miampita mankany amin’ny vehivavy ny amin’ny tokony hahaizana mitondra tena ihany koa. Tsiahivina moa fa hiara-kiasa amin’ny FITRAMA ity sexologue iray ity hanabe ny mpiara-belona mikasika ny resaka fananahana eo amin’ny mpivady hisorohana ny fanolanana, ny fijangajangana, ny fihanaky ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, indrindra fa ny fangatahana fisaraham-panambadiana eny amin’ny tribonaly.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT