Miisa 200 hatreto ireo olona tokony hamonjy fodiana tavela etsy amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse Fasan’ny karana vokatr’ilay fihobohana nateraky ny fiparitahan’ny coronavirus.
Efa tapa-bolana izy ireo no voatery nonina sy nipetraka tao noho ny tsy fananana fianakaviana ka ny koperativa mivondrona ao anatin’ny KMFB no nanome trano azy ireo, niantoka ny sakafony….Anisan’ny tena nampijaly fatratra azy ireo ny resaka foto-drafitrasa, raha araka ny fanadihadiana natao. Tery ny trano satria ny biraon’ny koperativa no tsy maintsy nampiasaina, olana ihany koa ny resaka rano fisotro madio sy ny trano fivoahana. Nahatsiaro ho afa-patorana anefa izy ireo taorian’ny kabarin’ny Filoham-pirenena ny Alahady alina teo fa ho afaka hamonjy fodiana amin’izay. Hiasa manomboka anio talata hatramin’ny alakamisy ho avy izao tokoa mantsy ireo koperativa hianatsimo hitatitra azy ireo hamonjy ny trano fonenany miaraka amin’ny taratasy manamarina fa olona tokony hamonjy fodiana izy ireo. Na izany aza dia fantatra fa mbola betsaka ihany koa ireo olona tavela eto an-drenivohitra tokony hamonjy fodiana saingy nanan-kavana ka tsy tazana loatra. Hetahetan’izy ireo araka izany ny tsy hisian’ny saran-dalana hiakatra fa hitovy tamin’ny teo aloha ihany. Ho an’ny saran-dalana niazo an’Antsirabe manokana mantsy taorian’ilay fanambarana nisian’ny coronavirus iny dia tafakatra 30.000 Ar ny saran-dalana raha mbola 10.000 Ar teo aloha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.