Sosialy

Faritry ny tsena kaominalin’Ambohijatovo Tsy milamina ny tanàna amin’ny gaboraraka misy


  • Talata 26 Febroary 2019

Tsy milamina mihitsy ny tanàna amin’ny gaboraraka misy etsy amin’ny faritry ny tsena kaominaly etsy amin’ny fokontanin’i Mandrosoa-Ambohijatovo-Ambatonakanga-Antsapanimahazo noho ny gaboraraka miseho eny an-toerana.

 

 

 Nanjary feno Bar fisotroan-toaka ny tanàna (tsy latsaky ny 8 izao no isany eo amin’ny elanelana 25 m monja) ka mitabataba lalandava ary mitarika tsy filaminana eny an-toerana. Lasa amin’ny 6 ora maraina dia efa ahitana fanendahana miseho any anelakela-trano rehetra any. Tsy  voahaja intsony ny lalàna misy milaza fa tsy azo hivarotana toaka  150 m manodidina ny fiangonana sy sekoly fianarana eny an-toerana. Manampy trotraka an’izany ny fanorenana gaboraraka misy eny an-toerana toy ny fananganana andrin-trano anaty arabe sy ny fanaovana gabone  mivantana  anaty dalle ao aminy. Etsy an-kilan’izay, ao anatin’ny tsena Roland Garros etsy am-pita koa dia ahitana trano fisotroan-toaka tsy nahazoana alalana tsy latsaky ny 4 be izao ka mahatonga ny tsy filaminan’ny fiainam-bahoaka ihany koa. Tairina, araka izany, ny sain’ny tompon’andraikitry ny filaminana eto amintsika sy ry zareo ao amin’ny CUA mba hanara-maso akaiky ny zava-misy manodidina an’io tsena kaominalin’Ambohijatovo io.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT