Sosialy

Faritr’Isoraka Mitombo isa ireo 4’mis mipetraka amoron-dalana


  • Alarobia 11 Mey 2022

Mihabetsaka ireo vahoaka sahirana eto amintsika. Tsy vitsy ireo tsy mahaloa hofantrano intsony, antony mampitombo isa ireo 4’mis tsy manan-kialofana mipetraka amin’ny trano sachet plastika eny rehetra eny.

Hita hatreny Isoraka izany, toerana manakaiky ny lapam-panjakana Iavoloha, izay tena henatra ho an’ny Fitondram-panjakana tokoa, indrindra fa ho an’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Toy ny tsy misy ministera mikarakara mantsy ireny 4 mis ireny fa toa jerem-potsiny. Toa tsy manara-maso ny tanana ihany koa ny kaominina Antananarivo renivohitra izay tokony handray andraikitra haingana hiaraka amin’ny Ministeran’ny mponina hamindra toerana ireny 4 mis ireny. Raha vantany vao mahazo vahana mantsy izy ireny dia mety hiitatra hatrany Antaninarenina ny trano sachet plastika izay tena haneho mibaribary tanteraka fa lasa 4 mis ny ankamaroan’ny Malagasy noho ny hasarotan’ny fiainana sy ny fihanaky ny fahantrana. Marihina moa fa saika zaza amam-behivavy avokoa ny ankamaroan’ireo mpatory amoron-dalana eny amin’iny faritra Isoraka iny.
(Tahirin-tsary)
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT