Sosialy

Faritr’i Sofia Tsy misy Merkiora izany


  • Talata 07 Janoary 2020

Toy ny faritra rehetra eto Madagasikara dia fotoana mampandeha ny fambolena sy fiompiana koa ao amin’ny faritr’i Sofia amin’izao fotoanan’ny orana izao.

 

 Mijanona daholo aloha izany ny fihariana mifandraika amin’ny resaka harena an-kibon’ny tany fa ireo no tena mandeha, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneraly misahana iny faritra iny, Tolojanahary Maharavo. Mikasika ny filazana fa misy Merkiora aty amin’ny faritr’i Sofia, hoy izy dia ny ahy aloha dia ny harena an-kibon’ny tany toy ny vato famokarana na “pierre industrielle” sy ny GEM no fantatro fa io resaka Merkiora io amiko fampandriana adrisa. Tsy dia mino loatra ny fisian’izany aho fa ireo vato famokarana toy ny Jaspa sy Kristaly no misy any. Ireny izao ilay mitsahatra satria ahian’ireo mpitrandraka ny fiotsahan’ny tany amin’izao fotoam-pahavaratra izao, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT