Sosialy

Faritra Vakinankaratra Mahasarika ireo mpizahatany


  • Alarobia 05 Septambra 2018

Tsy nitsahatra nitombo ny isan’ireo mpizahatany tamin’iny faritra Vakinankaratra iny nandritra ny 5 taona farany. Nampiditra mpizahatany miisa 13 788 hatramin’ny 24 500 iny faritra iny ary tombanana hitombo hatrany amin’ity taona 2018 ity.

 

Izany indrindra no hisian’ny hetsika fampiroboroboana ny fizahantany karakarain’ny Ofisim-paritry ny fizahantany any Vakinankaratra( ORTVak) atao any Andraikiba ny 29 septambra ho avy izao. Tanjona ny hisintonana mpizahatany eto an-toerana sy any ivelany, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny ORTVak Rakotoson Hary Naivo. Mila tsinjovina hatrany ny sehatra fizahantany, hoy izy satria hisy akony be amin’ny toekaren’i Madagasikara ka mila fiaraha-mientana fa tsy vitan’ny ofisy irery. Ankoatra ny laza sy ny hasin’Andraikiba izay manintona ny mpizahatany dia hisy ny fifaninanana maro karakaraina tahaka ny papango sy ny fotaka volley amin’io fotoana io. 1704 ny efitrano efa vonona handraisana ny mpitsidika avy eto an-toerana sy avy any ivelany ary efa manomboka tonga maro ny mpizahatany nanomboka tamin’ilay hetsika “Vitrine du Vakinankaratra” notanterahina tany tamin’ny farany teo.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT