Sosialy

Faritra Tsimiroro Miaina anaty fahantrana tanteraka ny mponina


  • Talata 08 Oktobra 2019

Ankoatra ireo olana ara-tsosialy, dia ratsy lalana tanteraka ny mihazo ny any Tsimiroro izay eo anelanelan’i Morondava sy Maintirano.

 

 Iray andro mahery vao tonga any raha miala eo Tsiroanomandidy rehefa tsara ny andro ary 5 andro rehefa amin’ny fotoanan’ny orana. Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana hifanaovana amin’ny orinasa mpitrandraka Madagascar oil kosa anefa ny fanatsarana ny fiainan’ireo mponina eo amin’ny distrika sy Faritra hanaovana fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Nampatsiahivin’ny ministry ny harena ankibon’ny tany, Fidiniavo Ravokatra tamin’ny mponina teo Folakara, izay 3 km miala amin’ny orinasa Madagascar Oil nandritra ny fitsidihana ara-teknika nataony fa tokony hisitraka ny tombontsoa amin’ny fitrandrahana ny mponina any. Nandritra  ny diany tany Tsimiroro ny zoma lasa teo dia tsy nianona fotsiny tamin’ny fitsidihana ny orinasa ny tenany fa nijery ireo tanàna akaiky ny toeram-pitrandrahana ihany koa. Hita taratra tamin’izany ary fa tsizarizary ny sakafo sy ny lafiny fitsaboana ary ny fanabeazana tany an-toerana. Sahirana ara-pivelomana ny mponina ary tena mbola olana ny fisitrahana ny fahasalamana sy ny fahampian-tsakafo ary ny fananan’asa.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT