Sosialy

Faritra Menabe Mandravarava ny andiam-balala


  • Alarobia 29 Jona 2022

Nampaneno lakolosy ny depioten’i Morondava Christophe Tsiliva Didiot omaly nandritra ny fihaonan’ny solombavambahoaka sy ny governemanta omaly,

fa niakatra an-tanàna ny valala tany amin’ny Morondava renivohitra, faritra Menabe omaly tolakandro. « Efa any ny ekipa sy ny angidimby miandraikitra ny fandrarahana fanafody, saingy tsy afaka vonoina eo an-tanàna ireo andiambalala noho ny fitandroana ny fahasalamana", raha ny nambaran’ny Talen’ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny valala tamin’ny fampahalalam-baovao. Efa tamin'ny volana febroary sy mey teo no nisian'ny andiam-balala tamin'iny faritra Menabe iny ka izao mbola mitohy izao, raha ny fanamarihana. Etsy andaniny, mbola tsy ampy iray volana izay ny FAO na ny Sampan-draharaha iraisam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo sy ny fambolena no naneho fa ny 7 tapitrisa dolara hiadiana amin’ny andiam-balala nolaniana tao anatin’ny herintaona latsaka ny 2021-2022 ho an’i Madagasikara dia tokony nahafahana niatrika ny fisorohana mandritra ny 9 taona. Somary nisy lesoka ihany izany ny ady amin’ny adiam-balala raha raisina amin’io. Isan’ny manampy trotraka ny resaka tsy fanjarian-tsakafo moa ny andiam-balala noho ny fahapotehana goavana entiny, indrindra fa amin’ny fambolena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT