Sosialy

Faritra Itasy Nahazo jiro cobra 60 isa


  • Alakamisy 29 Jolay 2021

Nanatanteraka fidinana ifotony tany Ambatomirahavavy ny Loholon’i Madagasikara Ramatoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa omaly Alarobia 08 jolay 2021,

 hoy ny fampitam-baovao voaray avy amin'ny Antenimierandoholona. Amin’ny maha mpiahy ny Faritra Itasy azy dia tsapany fa tsy ampy tokoa ny jiro entina hanazavàna ny tanàna amin’ireo Faritra ireo, izay antoka iray mampisy ny fandriampahalemana. Nanolotra “Eclairage publique Cobra “ miisa 60 entina hanazavana ny tanàna: 10ho an’ Ambatomirahavavy, 10 ho an’Imeritsiatosika, 20 ho an’i Miarinarivo, 20 ho an’Arivonimamo. Nanentana ireo mponina ao amin’ny Faritra ny Loholon’i Madadagasikara Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa amin’ny maha zava-dehibe ny fikojakojana sy fiambenana ity fanana iombonana ity mba ho lasa fanana maharitra sy ho lovan’ny taranaka any aoriana . Amin’ny maha mpiahy ny faritra Itasy azy ihany koa dia nandray ireo fanampiana avy amin’ny Orinasa AR BIOCHEM fanafody sy fitaovana entina hiadiana amin’ny Covid 19 izay natolotra ny Faritra Itasy ny tenany izay niaraka tamin’ny Governoran’ ny Faritra Maherizo Solofonirina Andriamanana sy ireo Ben’ny tanàna avy any amin’ny Faritra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT