Sosialy

Faritra Itasy Nahazo fanampiana ireo marefo sy manana fahasembanana


  • Alatsinainy 05 Desambra 2022

Tsy nandalo fotsiny ihany ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana nomarihina tany Soavinandriana, Faritra Itasy tamin’ny sabotsy 03 desambra teo.

Fizarana fitaovana enti-manamora ny fivezivezena, tohana ara-tsakafo ho an'ireo olona manana fahasembanana, fanolorana tohana ara-bola ireo fikambanam-behivavy, zokiolona, lehilahy mandray andraikitra ary tanora.Fianakaviana marefo ara-pivelomana miisa 1. 000 ihany koa no nisitraka tolotra filana andavan'andro toy ny vary, siramamy…. Fanampiana natolotry ny Ministra ny mponina. Narahina fizahana ara-pahasalamana maimaim-poana izany rehetra izany niarahana tamin’ny ONG Direct’Aid. Mba hananan'ireo tokantrano antoka amin'ny fidiram-bola sy fanampiana ny tokantrano, dia notolorana “Kit de dignité” koa ireo izay niharan'ny herisetra, ka ho ampidirina anatin'ny lisitra mpisitraka ny Asa Avotra Mirindra.Namaranana ny fotoana ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana tamin'ireo mponina tao Soavinandriana.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy fanampiana ihany no andrasan’ireo olona manana fahasembanana fa fampiharana ny fanajana ny zony mihitsy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT