FARITRA ITASY

Mahatratra 24% ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny ankizy


  • Alakamisy 03 Jolay 2025

Ankoatra ny Faritra Androy sy Anosy ary Atsimo Atsinanana dia fantatra

ihany koa fa anisan'ny faritra ahitana ankizy lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo ny ao amin'ny faritra Itasy. Ireo zaza enim-bolana ka hatramin'ny 12 volana no tena lasibatr'izany vokatry ny tsy fahaizana manovaova ny sakafo hohanina. Mahatratra 24 % eo ho eo izy ireo raha ny vaovao azo. Mba ho fanampiana ireo ankizy ireo ary dia natomboka tamim-pomba ofisialy omaly Talata 02 Jolay tao Arivonimamo II ilay tetikasa Kalina zaza. Karazana sakafo be otrikaina hanampiana ireo zaza ireo hiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo no hatolotra maimaim-poana mandritra izany izay vatsin'ny banky iraisampirenena vola.Tsara ny mampatsiahy fa tsy ny Distrikan'Arivonimamo irery ihany no misitraka maimaim-poana izao tetikasa izao fa ny distrikan'i Miarinarivo sy Soavinandriana ihany koa, izay misy fokontany 539 isa anatina kaominina 53 mandrafitra ny faritra. Vokatry ny fahasahiranan'ny Ray aman-dReny moa amin'ny ankapobeny no miteraka ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny ankizy. Tapitra hamidy ny vokatra fa tsy hohanina noho ny tsy fahampiana lava iainana isan'andro. Lavitra tanteraka vokatr'izany ilay sakafo maro loko tokony ho hita ao anatin'ny sakafon'ny zaza isan'andro. Pati
Légende : Nandritra ny fanokafana omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT