Sosialy

Faritra eto Antananarivo Tena mijaly rano


  • Alarobia 22 Mey 2019

Faritra 5 manodidina an’Antananarivo izay tsy mahazo rano no hisitraka voalohany ny fotodrafitrasa famokarana rano vaovao eny Ambohimangakely.

  Faritra atsinanana ahitana an’Ambohimangakely, ny avaratra Ambohibe Ilafy sy Sabotsy Namehana ny  Andrefana misy an’Itaosy sy Ambohidrapeto, ny faritra Atsimo Andoharanofotsy, Mahalavolona ary ny Afovoany misy an’Ambondrona sy Faravohitra no hahazo. Omaly no nidina ifotony nijery ny fizotry ny asa teny an-toerana ireo delegasiona avy eo anivon’ny minisiteran’ny rano niaraka tamin’ireo teknisianina avy eo anivon’ny orinasa Jirama. Ho vita afaka roa volana ilay tobim-pamokarana rano vaovao eny Ambohimangakely raha ny nambaran’ireo teknisianina avy eo anivon’ny JIRAMA . 100 m³ isan’ora na 2400m³ ny rano vokarina  ary hamatsy ireo faritra tena mijaly rano eto an-drenivohitra io toby vaovao io. An-dalana ny fametrahana ity fotodrafitrasam-pamokarana rano vaovao eny Ambohimangakely ity ary  vinavinaina ho vita ny faran’ny volana jona ho avy izao. Avy eo amin’ny reniranon’Ikopa moa no hisintonana ny rano ary eo no hametrahana ilay station de pompage. Any Amoronankona izay any amin’ny kaominina Ambohimangakely kosa no hametrahana an’ilay tambajotra famokarana rano miala 4 km ny station de pompage.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT