Sosialy

Faritra Bongolava Iray volana nijaliana rano ny mponina, niakatra ny vidin’ny jiro


  • Alarobia 18 Desambra 2019

Tao anatin’ny iray volana sy tapany mahery izao, dia nijaly tamin’ny famatsiana rano ny mponina tao amin’ny faritra Bongolava.

 

 Araka ny fanazavana voaray, voatery mividy rano any amin’ny toerana lavitra ireo olona manana paompin-drano ao an-trano.  Manomboka amin’ny 1 ora maraina dia efa hilaharana ny maka rano any amin’ny paompy, hoy  ny fanazavana. Mijaly rano noho izany ny mponina, ka mitady fomba hahazoana rano, eny fa na mividy izany any amin’ny lava-drano aza. Manao antso avo amin’ny minisitera sy ny tompon’andraikitra ary ny orinasa JIRAMA izy ireo mba hijery izao olan’ny famatsian-drano ao amin’ny faritra izao. Ny fitaovana efa antitra no antony mahatonga ny tsy fisian-drano any an-toerana, hoy ireo mponina. Ankoatra izay dia niakatra ihany koa ny vidin’ny jiro, tao anatin’ny 2 volana izao, koa mangataka ny hamahana ireo olana ireo ny mponina ao amin’ny faritra Bongolava.

Sitraka r.      

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT