Sosialy

Faritra Boeny Miteraka disadisa ny fitrandrahana drakaka


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Nikatona ny 15 oktobra lasa teo ny tsena fitrandrahana drakakaka manerana ny fari-dranomasina eto Madagasikara ary tsy hisokatra raha tsy amin` ny 15 desambra izao.

 

 

Toa mitanila anefa izany, hoy ireo mpandraharaha misehatra amin`ny fitrandrahana drakakaka ao Boeny, satria tsy misy fampahafantarana ofisialy amin`ny fikatonanan`ny tsena izay. Nanao fanambarana ireo mpandraharaha rehefa nandraisana fanapahan-kevitra tampoka amin`ny fanakatonana ny tsena. “Fanakatonana tsisy fampilazana fa ireo sinoa indray no milaza tapitra ny fangalanay izany. Gaga sy velom-panotaniana ihany izahay raha naheno izany satria tsy mba ireo tomponandraikitra ao amin`ny jono no mampilaza mialoha fa ny Sinoa indray”. Nambaran`izy ireo fa mpandraharaha sinoa no matetika no manangom-bokatra any an-toerana. Noho ny bizina samihafa iarahana amin` ireo tompoandraikitra ara-panjakana amin`ity sehatra ity dia mitaraina ireo mpandraharaha miezaka manara-dalàna. Tsy mbola misy ny fanambarana ofisialy no sady tsy misy fiomanana taorian`ireny hamehana ara-pahasalamana ireny, hoy hatrany ny fanazavana. Etsy ankilany, ny fitondrana dia nanamafy tsy maintsy mihatra ny lalàna fanakatonana ny fitrandrahana drakaka nanomboka ny 15 oktobra teo amin`ny alalan` ny didim-pitondrana na dia tsy nivoaka aza ny lalàna mamaritra izany hatreto, hoy Jaozandry René, talem-paritry ny jono ao Boeny. Marihana fa ny volana oktobra dia manatody ny drakaka ka izay no antony hanakatonana ny fotoam-pihazàna.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT