Mbola mitana ny sain’ny maro ny tohin’ilay fihotsahan’ny tany niteraka ratra sy faty olona nahatsiravina nitranga tetsy amin’ny fokontany Tsimialonjafy.
Inona no ho fepetra horaisin’ireo tompon’andraikitra manoloana ireo mponina mbola midongy hijanona eny amin’ireo fonenany eny amin’ireny toerana tandindomin-doza ireny ? Ahiana mbola hanohy ny fihotsahana ny orana mbola hitohy hikija. Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina, ny Lieutnant Colonel Franky Daniel Ramanoara dia anjaran’ny eo anivon’ny CUA sy ny BNGRC no miandraikitra ny fandraisana an-tanana ireny olona tsy mahafoy ny toerana nahalehibe sy hipetrahan’ny fahatsiarovany ireny. Manentana ity tompon’andraikitra ity fa rehefa omena toromarika hiala eo amin’ilay toerana ireo mponina dia tokony hiala. Sarotra anefa ny mandresy lahatra ireo mponina. Raha ny tarehimarika farany dia miisa 18 ireo olona tototra tamin’ity fihontsahana ity ka 17 hatreto no hita ary 14 namoy ny ainy. Omaly moa dia nisy hetsika fanalana vatobe ahiana hampidi-doza ihany koa nataon’ny sampana mpamonjy voina teny Ambohijatovo teny. Ankoatra an’i Tsimialonjafy dia mbola mitana ny sain’ny maro koa ny etsy Ankadilalana. Raha ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny sampana mpamonjy voina hatrany dia efa ny 85%-n’ny faritra avo eto Antananarivo amin’izao fotoana izao no tsy tokony hipetrahana intsony.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.