Sosialy

Faritra avo eto an-drenivohitra Vato lehibe 3 ahiana hianjera


  • Alakamisy 03 Oktobra 2019

Vato telo lehibe 3 no ahiana mbola hihotsaka eny amin’ireo faritra avo eto an-drenivohitra ka anisan’ireny ny ao amin’ny Fokontany ambanin’Ampamarinana.

 

 

 

 

Taorian’ny niavian’ny ranon’orana afakomaly hariva iny mantsy dia marobe ireo fako sy riaka avy any ambony nirotsaka tao amin’ity fokontany ity, antony iray mety hampihotsaka izany tampoka.   Miezaka ny manentana ny mponina sy mijery ny zava-misy ny sefom-pokontany ao an-toerana. Tsy voatery ho amin’ny andro alina ihany mantsy raha araka ny fanazavany no hianjeran’ireo vatobe ireo fa mety ho amin’ny andro atoandro mahabe olona mivezivezy ihany koa. Ankoatra ity fokontany iray ity dia tandindomin-doza ihany koa ireo mponina ao amin’ny fokontany Tsimialonjafy…. Mikasika ilay vatobe  nianjera tamin’ny 03 febroary lasa teo ka nahafatesana olona maromaro dia fantatra fa mbola misy amin’izy ireny no tavela ao an-tokantranon’ireo olona lasibatra ka tsy hitan’ny fokontany izay hatao.

Pati

Legende : Tandindomin-doza indray ny faritra avo ( Sary nindramina )

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT