Naompana tamin’ny lafiny tontolo iainana ny andiany fahadimy amin’ny hetsika Tagnamaro nandraisan’ireo sehatra maro samy hafa anjara tamin’ny alalan’ny fanomanana zanakazo ka miisa 70.000 fototra no vita tamin’izany.
Ho an’ny minisiteran’ny tontolo iainana Atsinanana dia zanakazo samy hafa karazana sy haingam-pitombo miisa 10 tapitrisa fototra no tanjona amin’ity taona 2019 ity,hoy ny Talem-paritra vaovao,Tezena Lionel Armando izay hotsinjaraina amin’ireo Distrika mandrafitra ny Faritra Atsinanana. Napetraka koa ny Cite Geante mirefy 5 ha izay hiarahan’ny Tafika sy ny DREED Atsinanana miasa hamolavolana ny zanakazo mialohan’ny hambolena azy tamin’ity herinandro ity satria faritra Atsinanana miverina maitso no tanjona, hoy ny fanazavana. Asa goavana no ho tanterahina ao amin’ity Cite Geante ity izay efa misy ireo voa nafafy ka afaka 15 na 20 andro dia efa azo afindra, hoy ny teknisianina. Ny toerana rahateo mety tsara sy mamaly ny filan’ny famolavolana ny toeram-pamokaran-janakazo. Velaran-tany mirefy 40.000 ha no horakofana ala amin’ity taona ity raha ny vina voalaza ka ny volana novambra izao dia efa hiasa ny Drone hanaparitaka ireo voankazo handrakofana ny ala Atsinanana.Tafiditra anatin’ny politikan’ny minisitera amin’ny ady hiarovana ny tontolo iainana io, hoy ny fanazavana, ary tsy ho tratra ny tanjona raha tsy misy ny fiaraha-mientan’ny rehetra izay mianga amin’ny vahoaka ifotony sy ny minisitera tomponandraikitra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.