Sosialy

Faritra Atsimon’i Madagasikara Mbola manjaka ny tsy fanjarian-tsakafo


  • Talata 28 Aogositra 2018

Tonga omaly alatsinainy 27 aogositra ary nihaona tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian teny Mahazoarivo ny talem-paritry ny fandaharan’asa iraisam-pirenena momba ny sakafo (PAM) aty Afrika atsinanana, Ramatoa Lola Castro.

 Hijery ifotony ny zava-misy eto Madagasikara eo amin’ny sehatry ny sakafo sy ny fanjariantsakafo ary hamantatra izay fiaraha-miasa tokony hatao hanatrarana ny tanjona eo amin’ny fampandnrosoana, no anton-diany. Anio no hihazo ny faritra atsimon’ny Nosy ny delegasiona tarihiny hiaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy avy ao amin’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana, ny UNICEF sy ny FAO. Fantatra fa tena mbola ambony ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo amin’iny faritra iny ka hisy ny fitsidihana tokantrano hijerena ny fiainan’ny mponina eo amin’izay lafiny izay. Hojerena mandritra io fidinana ifotony any io koa ny fomba atao hanatsarana ny tontolon’ny fiahiana ara-tsakafo, indrindra ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Tsirinasolo

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT