Sosialy

Faritra Atsimo Mifampiankina ny fiarovana ny ala sy ny famatsiana rano


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Manana velarana ala voajanahary midadasika ahitana karazam-biby maro toy ny vorona, varika ary bibilava ny Faritra arovana Tsitongambarika.

 

 

 

Ny 80 amin’ireo ireo karazan-javaman'aina sy zava-maniry misy ao dia tsy hita afa-tsy eto Madagasikara. Ny alan'i Tsitongambarika dia manampy amin'ny fiatrehana ny fiovan'ny toetrandro, mitahiry ny entona karbonina, miaro ny tany tsy ho kaohin'ny riaka, miaro ireo sahandriaka ary manampy amin'ny famatsiana rano ho an'ireo Faritra Atsimon'i Madagasikara. Manoloana izany dia nidina ifotony nijery ny zava-misy tao amin'ny riandrano ao Manatantely, Kaominina Soanierana, Distrikan'i Taolagnaro izay tafiditra ao amin'ity alan'Ny Tsitongambarika ity ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) sy ny Minisitry ny Rano, ny Fidiovana ary ny Fanadiovana (MEAH) hikatsahana vahaolana maharitra hamahana ny olan'ny famatsiana rano ho an'ny Faritra Androy. Ny fandripahana ny ala avy amin'ny fanaovana tavy, ny fanaovana saribao no isan'ny tsindry manimba ny alan'i Tsitongambarika ka mitarika amin'ny faharitran'ny rano. Hojeren'ny Minisitera roa tonta miaraka araka izany ny paikady entina hiarovana ny ala sy ny rano mba hisorohana ny haintany ao amin'ny Faritra. Nisy ihany koa ny dinika niarahan'izy ireo tamin'ireo mpitantana ny Faritra Arovana ao Manatantely sy Tsitongambarika ary ireo mponina eny ifotony. Isan'ireo vahaolana naroso amin'izany ny fampiroboroboana ireo fihariana mikajy ny tontolo iainana no sady loharanom-bola maharitra ho an'ireo mponina mba ahafahana mampihena ny fanimbana sy ny fitrandrahana ny ala.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT