Sosialy

Faritra Atsimo Hezahina hisitraka rano fisotro madio


  • Zoma 05 Oktobra 2018

« Fampihenana ny fahavoazana ara-toekarena, vokatry ny loza sy ny tandindon-doza » no lohahevitra nentina nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho fanalefahana ny vokatry ny loza voajanahary tamin’ity taona ity, izay natao tao Ambovombe-Androy.

 

 

 Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana ny praiministra Ntsay Christian omaly. Ho fanatanterahana ny fampandrosoana lovain-jafy dia «ny rano, ny fotodrafitrasa ary ny olombelona » no hevi-dehibe telo iantefan’ny Paikady ho an’ny faritra atsimon’ny Nosy manokana, ho fampihenana  ny loza sy voina voajanahary, araka ny nambaran’ny lehiben’ny governemanta, ka andalam-pandrafetana ny paikady. Hohatevenina ny ezaka fametrahana « pipeline », fantsona mitondra rano satria manan-jo hisitraka izany ny any amin’ny faritra atsimo,... Manoloana ny tsy fanjarian-tsakafo, toy ny hita any Beloha sy Tsihombe sy kaominina maromaro, dia nitondra fanampiana ho an’ny mponina ny governemanta niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka : vary 115 taonina ho an’ireo distrika tena mila izany, voamaina 20 taonina hozaraina amin’ny mponina tena marefo ary siniben-drano miisa telo. Nifanindran-dalana tamin’izao fankalazana izao koa ny nanatanterahana ny hetsika ara-toekarena ity Foire «  Volily Harea », andiany faharoa, izay natao indrindra hampahafantarana ny tanjaka ara-toekaren’ny Faritra Androy. Nambarany fa tokony hotrandrahintsika ny zavatra misy eto an-toerana mba hahafantaran’ny olona rehetra izany sy mba hitondra fampandrosoana marina ho an’ny faritra. Mikasika ny fifidianana, dia « fanomezana ny zo fototra ho am-pelatanan’ny vahoaka hisafidianany ny filoham-pirenena tiany hapetraka eto amin’ny firenentsika mandritra ny 5 taona ho avy », hoy izy. Ankoatr’izay, dia nentaniny hatrany ny mponina mba hitandro ny fahadiovana, indrindra amin’izao an-katoky ny fotoam-pahavaratra izao , izay mampirongatra ny aretina samihafa.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT