Sosialy

Faritra atsimo atsinanana Nahazo fanampiana ireo traboina vokatry ny hain-trano


  • Talata 19 Febroary 2019

Mahatsiaro mijaly ireo traboina 218 tafo vokatry ny hain-trano any amin’ny Faritra atsimo atsinanan’ny Nosy. Ankoatra ny tsy mbola fananan’izy ireo trano hitoerana mantsy dia hifampitadiavana ihany koa ny hanin-ko hanina isan’andro.

 

 

 

Mba ho fanampiana azy ireo dia tonga nanatitra sakafo sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho azy ireo ny orinasam-pifandraisana Airtel. Olona miisa 800 no nahazo tombontsoa tamin’izany ka anisan’ireny ny fotsimbary 28 gony. Tanjon’ny orinasam-pifandraisana Airtel raha ny fanazavan’ny tale jeneraliny Maixent bekangba ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo traboina izay marihina fa zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Mbola ho mafy ny fanarenana ny fiainan’izy ireo, hoy Atoa Andriamaro Jovin Thomas, lehiben’ny distrikan’Amboasary Atsimo ka tena nisaotra ny Airtel ny tenany noho ny fanampiana nentin’izy ireo.

 

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT