FARITRA ATSIMO ATSINANANA

Miakatra ny tahan’ireo zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo


  • Talata 12 Desambra 2023

Miakatra izaitsizy ny tahan’ireo zaza latsaky ny 5 taona tratry ny tsy fanjarian-tsakafo

any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy. Tafakatra 48,5 % ireo ireo tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka, raha 12,6% kosa ireo tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Vokatry ny tsy fahampian’ny vokatra miakatra ateraky ny haintany lavareny misy any an-toerana no mahatonga izany. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny rano fisotro madio izay miantoka feno ny fahasalaman’ny zaza raha manampy trotraka izany ny voina ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro izay mihamafy hatrany. Tato anatin’ny 10 taona no tena nampahazo vahana izany. Tamin’ny taona 2017 ohatra raha araka ny fanadihadiana natao dia tsy mba afaka namboly vary firy mihitsy ireo mponina tany an-toerana. Tena misy fiantraikany goavana amin’ny fiainan’ireto farany izany. Izay hita sy misy no hohanina, eny fa dia ho an’ireo kilonga madinika sy vehivavy bevohoka aza. Mitontongana ihany koa ny fampianaran-janaka any amin’iny faritra iny vokatr’izany. Rehefa fotoanan’ny rivo-doza mantsy dia mijanona tsy mianatra avokoa ny mpianatra ary manampy ireo Ray aman-dReniny amin’ny asa fivelomana. Zara raha misy ny1/10-n’ny mpianatra aorian’izany no miverina mamonjy sekoly raha vantany vao mitsahatra ny ranon’orana indrindra fa ny eny anivon’ireo sekoly ambaratonga fototra, raha araka ny fanadihadiana hatrany. Tsiahivina moa fa ny faritra Atsimo Atsinanana no mitana ny laharana faharoa amin’ny fananana taha ambony indridra amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara raha mitontaly 39,6 % izany manerana ny Nosy.
Pati
Legende : Atahorana ny ain’ireo zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT