Manomboka eo amin’ny faha 12 taonany dia efa mivaro-tena ireo zazavavy sasany ao amin’ny faritra Anosy, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny fokontany iray ao an-toerana.
Olana ao an-tokantrano no isany antony ary miray tsikombakomba sy mampirisika ireo zanany hivaro-tena ny ray aman-dreny. Misy mivaro-tena hividianana haingitraingitra sy lamaody koa anefa. Mivoaka alina amin’ireo toerana fisotroan-toaka ireo ankizy tsy ampy taona miditra amin’ny fivarotan-tena, raha ny hita ao amin’ny fokontanin’Ambinanikely, kaominina ambonivohitr’I Faradofay. Taorian’ny fikatonan’ny sisintany noho ny valanaretina dia tsy nisy intsony ny teratany vahiny tena mpanjifa azy ireo. Ankoatran’ny fivarotan-tena dia maro koa ireo ankizy tsy ampy taona ampiasaina amin’ny famakiana vato ao Faradofay. Mpifindra monina avy any amin’ny faritra hanjakan’ny kere no ankamaroany. Ny fahasarotan’ny fiainana no maha voatery ireo zaza hijanona amin’ny fianarany ka hirosoany amin’ny fitadiavam-bola mbola kely. Miantso ny fampanajana ny zon’ny ankizy ao an-toerana manoloana ny zava-misy moa ireo tomponandraiki-panjakana ao an-toerana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.