Sosialy

Faritra Analanjirofo Nomena tantsoroka ny tantsaha mpamokatra lavanila


  • Zoma 09 Jolay 2021

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy 5 jolay 2021, tao amin'ny kaominina Ampasina Maningory, distrikan'i Fenoarivo Atsinanana ny taom-piotazana


 lavanila maitso amoron-tsiraka taona 2021-2022 ho an’ny Faritra Analanjirofo. Malaza eran-tany ny lavanila vokarin'i Madagasikara noho ny kalitao ananany, ary ahitana izany ny faritra Analanjirofo. Misy ireo tohana entin'ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (MAEP) ho fitandrovana ny kalitaon'ny lavanila, toy ny fampiofanana ara-teknika sy fikarakarana ny fambolena lavanila izay notanterahin’ ny teknisianin’ ny SRA/DRAEP Analanjirofo, hoy ny tatitr’io Minisitera io omaly. Tao amin'ny fokontany Antsirarafana, CR Soanierana Ivongo sy tao amin'ny fokontany Lohariana sy Ambatoaranana, CR Ambatoaranana no nanaovana izany, narahina fizarana taroka lavanila miisa 500 ho an'ny mpamokatra miisa 250 tao amin’ny kaominina Ambatoaranana, distrika Fenoarivo Atsinanana izay niarahana tamin’ny fandaharan’asa Programme PROSPERER. Ho an' ity taom-pambolena 2021 ity dia noferana ho 75 000 Ariary ny vidin' ny kilao farany ambany arak’ilay taratasy « circulaire interministériel 062-21/MEF/MAEP /Mica », raha 60 000 Ariary tamin’ ny taona lasa. Tonga nanotrona izany fanokafana izany ny talem- paritry ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny Jono(MAEP) sy ny talem-paritry ny indostria, ny varotra ary taozavatra (DRICA), ny sekretera jeneralin'ny prefektiora. Na izany na tsy izany, na milaza ho mitsinjo ny mpamokatra lavanila aza ny Fanjakana, dia tsy araka ny fampanantenana hampiakatra avo telo heny ny vidina lavanila ny zava-misy fa nampitotongana azy tanteraka. Efa noferana ho 75 000Ar aza ny vidiny farany ambany, saingy mbola misy manararaotra mampidina hatrany amin’ny 35 000 sy 40 000Ar.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT