Sosialy

Faritra Analamanga Miasa ireo sehatra fototra iainkinan’ny fiainam-bahoaka


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Voarara ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 50, miato ny fisokafan’ny fiangonana tsy ankanavaka, miato ny fampisehoana ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena ka na latsaky ny 50 aza tsy azo atao,

 

 hoy ny Minisitry ny serasera Lalatiana Andriatongarivo. Mihatra ny elanelanelana iray metatra, hohamafisina ny fanasana tànana, hisy ny famendrahana fanafody ny tsena sy ny toerana ankalamanjana be mpampiasa isaky ny fokontany, miato avokoa ny fahazoan-dàlana hivezivezy afatsy ireo tsy maintsy miasa satria iankinan’ny aim-bahoaka. Tsy mahazo mivezivezy ivelan’ny faritra Analamanga ny razana izany hoe tsy azo halevina ivelan’ny faritra satria isan’ny nanaparitaka ny aretina izany, hoy ny minisitra. Haverina ny vatsy tsinjo, ka amin’ny herinandro no hivoaka ny mombamomba ny hoe iza no hisitraka. Ny Bar, ny toeram-pisakafoanana dia mikatona avokoa. Ireo fiara miasa noho ny antony ara-pahasalamana ihany no azon’ny fiarakaretsaka taterina. Ny fiara tsotra dia afaka miantsena hatramin’ny 12ora atoandro, ny tsena izay miantsoroka ireo vokatra ilaina andavanandro ihany no afaka misokatra. Araka ny lalàna dia afaka miasa ny famatsiana PPN, rano sy angovo, fahasalamana sy hopitaly, fitsaboana biby, fitaterana tena ilaina, paositra sy fifandraisan-davitra, haino aman-jery, banky, fitsarana, raharaham-bahiny, atitany, fiarovana, vola sy ny tetibola, rano sy ala.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT