FARITRA ANALAMANGA

Ankizy 1 amin'ny 2 no


  • Alatsinainy 15 Jona 2026

tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka

Ankizy iray amin'ny roa no fantatra fa tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eto amin'ny Faritra Analamanga. Amin'ny ankapobeny dia vokatry ny tsy fahaizana misakafo no mahatonga izany ankoatra ny fahasahirana lalovan'ny isan-tokantrano. Ireo ankizy mpianatra eny anivon'ny EPP sy CEG no voalaza fa tena lasibatr'izany. Tsy misakafo ara-dalana mantsy ny ankamaroan'izy ireny izay tokony ho in-telo isan'andro arahin'ny fihinanana voankazo sy legioma. Tsy arak'ireo Ray aman-dReny anefa izany. Lasa tsy mifanaraka amin'ny taonan'ilay ankizy ny halavany vokatr'izany. Tsy voalanjalanja ihany koa ny sakafo haniny fa izay hita no harapaka hany ka mahazo vahana ny fihinanana siramamy sy sira antony miteraka ho azy ny fiakaran'ny tosi-dra sy ny aretina diabeta. Nanatanteraka fanentanana momba ny fahaizana misakafo ny ONG GRET ny faran'ny herinandro teo. Niarahany tamin'ny ofisim-pirenena misahana ny fanjarian-tsakafo izany ka anisany notsidihin'izy ireo manokana ny tao amin'ny CEG Nanisana. Tsiahivina moa ho an'ny Faritra Atsimon'ny Nosy manokana fa mahatratra 1 tapitrisa mahery amin'izao ireo olona tratry ny tsy fanjarian-tsakafo ka lohalaharana amin'izany ireo ankizy latsaky ny 5 taona.
Pati
Légende : Kely sy marefo ny ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT