Sosialy

Faritra Analamanga 10 isan’andro ny vehivavy maty eo am-piterahana


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Mahatratra 10 isan’andro ireo vehivavy maty eo am-piterahana eto Analamanga ka ny 03 amin’ireo dia mbola tsy ampy taona avokoa.

Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Manitra Rakotoarivony, talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka eto Analamanga dia vokatry ny tsy fanatonana tobim-pitsaboana amin’ny ankapobeny no mahatonga izany. In-dimy monja anefa raha araka ny fanazavany no manatona tobim-pitsaboana ny vehivavy mitondra vohoka iray dia teraka soa aman-tsara. Zavatra maro loha no jerena ao anatin’izany raha araka ny fanazavany hatrany toy ny fahasalaman’ilay Reny sy ilay zaza ao am-bohoka. Ny fipetrak’ity farany sao mitsivalana…. ka hiomanana mialoha amin’ny fikarakarana ….Na izany aza anefa dia fantatra fa mbola miteraka amin’ny Renin-jaza ny 27%-n’ny vehivavy mitondra vohoka. Ekena hoy dokotera Manitra fa manana ny fanomezam-pahasoavana hananany ny Renin-jaza saingy mbola hafa ihany ny manatona tobim-pitsaboana misy dokotera sy mpampivelona. Lova nolovainy tamin’ny fianakaviany mantsy ny an’ny Renin-jaza hoy hatrany izy nanampy fanazavana raha zavatra nianarany manokana kosa ny fampiterahana ho an’ny mpampivelona sy ny ekipany. Tsiahivina moa fa tovovavy kely iray vao 18 taona no maty teo am-piterahana andro maromaro lasa izay teto an-drenivohitra vokatry ny fiterahana tamin’ny Renin-jaza. Noho ny ra be loatra very taminy no voalaza fa antony nahatonga izany.
Pati
Legende : Saro-pady loatra ny fiterahana ka tsy misy tsara ohatra ny eny amin’ny hopitaly ihany (Sary fanehoana))
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT