Sosialy

Faritra Amoron’Imania Misedra olana goavana amin’ny famatsian-drano


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2021

Sarobidy sy manan-danja ho anay eto amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitondra ifotony,

 hoy ny minisitra, Baomiavotse Vahinala Raharinirina, omaly. Noho izay antony izay no nihaonako tamin’ireo ben’ny tanàna amin’ny distrika miisa 4 anatin’ny faritra Amoron’i Mania, hoy izy. Ankehitriny ny faritra Amoron’i Mania dia misedra olana goavana amin’ny famatsian-drano vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana tafahoatra. Manafatra rano avy amin’ny faritra hafa izy ireo. Ny vahaolana lavitra ezaka manoloana izany olan’ny rano izany dia ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fambolen-kazo. Mandrisika ireo ben’ny tanàna araka izany mba hanentana ny vahoaka isaky ny kaominina iadidian’izy ireo amin’izany fiarovana ny tontolo iainana izany. Ho an’ny OMC kosa dia mila jerena manokana ny momba ny doro tanety izay tena mahazo vahana ao Amoron’i Mania. Fiaraha-mientana sy fampiharana ny « Campagne Tolérance Zéro » izay efa nahitana vokatra no takian’izany ady amin’ny doro tanety izany, hoy hatrany ity minisitra ity.
J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT