Sosialy

FARITRA AMORON’I MANOA Nahita fomba hafa kely hamerana ny zaza ateraka


  • Alatsinainy 22 Jolay 2024

Hampidirina ao anatin’ny kabary am-panambadiana mandritra ny fanateram-bodiondry sy ny

fandraisam-pitenenana hataon’ny Ben’ny tanàna mandritra ny fisoratam-panambadiana manomboka izao ny fanentanana momba ny fandrindram-piainam-pianakaviana. Hanao maodely voalohany amin’ny fampiharana izany ny Faritra Amoron’i Mania raha araka ny fanazavan-dRakotomandimby Désire governoran’ny Faritra.
Tafiditra ao anatin’ny laharana faha-4 na faha-5 amin’ny hamaroan’ny vehivavy miteraka maro mantsy izy ireo manerana ny Nosy. Dimy raha kely ny zaza hateraky ny tokantrano iray nefa saika ny Raim-pianakaviana avokoa no mamelona sy mampandeha ny fiainana ao an-tokantrano. Tsy ho tafiditra ao anatin’ny tso-drano omen’ny Ben’ny tanàna ireo mpanambady vao intsony araka izany ilay hoe : miteraha fitolahy, fitovavy fa hosoloina ilay hoe : izay vita sy zakan’ny toe-bola hateraka. Hampiarahina amin’ny famporisihina azy mivady kely mba hanatona tobim-pahasalamana izany hahafahany mampiasa fomba fandrindram-piainam-pianakaviana.
Tsiahivina moa fa efa nampiakarin’ny Fitondram-panjakana ho 2,6 miliara ariary isan-taona amin’izao ny teti-bola natokana ho an’ny fandrindram-piainam-pianakaviana eto amintsika hanatsarana ny fiainan’ny isan-tokantrano. Pati
Legende : Tokony hifanaraka amin’ny vola miditra ho an’ny isan-tokantrano ny isan’ny zaza hateraka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT