Faritra afovoan-tany

Mamokatra ovy 250.000 taonina isan-taona


  • Zoma 31 Mey 2024

Nankalazaina omaly 30 mey 2024 ny andro iraisampirenena ho an’ny ovy.

Ny ovy dia volen’ny tokantrano tantsaha mpamokatra eto afovoan-tany (Analamanga, Vakinankaratra..) amin’ny ankapobeny, ho famenon’ny vary, hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana. Tokantrano tantsaha miisa 200.000 no mamokatra ovy 250.000 taonina isan-taona eto Madagasikara hahafahana miatrika ireo fiovana eo amin'ny fisakafoana sy mamoky ny mponina izay mitombo hatrany. Raha 7000 taona lasa izay no nanomboka namboly ovy ny tany Amerika Atsimo, ankehitriny dia anisan'ny voly manan-danja izany. Mamokatra 375 tapitrisa taonina isan-taona izao tontolo izao, izay mamoky olona mihoatra ny iray lavitrisa. Mitombo hatrany ny lanjan'ny ovy aty amin'ny tany an-dalam-pandrosoana. Ny 30 mey hankalazana ny andro Iraisampirenena ho an'ny ovy dia manasongadina ny maha zava-dehibe izany karazam-boly izany eo amin'ny fanjariana ara-tsakafo sy ny fidiram-bolan'ny tokantrano, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT