Tsy mpanao politika izany no aorian’ireo mpiasan’ny Kraoma mitokona io hoy ny farimbon-tsendikaly SVS ,
tarihin-dRakotomanga Barison sekretera jeneraliny omaly fa izy ireo. Tsy ara-dalana hoy ity sekretera jeneraliny ity raha 9 ka hatramin’ny 12 volana ny mpiasa no tsy mandray karama ka tsy hitokona nefa misy kraoma, akora fototra azo hampiodinana ny orinasa ihany ao. Tokantrano an-jatony hoy izy no lasibatra amin’izany, zaza amam-behivavy marobe no mitondra faisana no sady voahitsakitsaka ny zony ka tsy maintsy miditra izy ireo. Miantso ny tale jeneralin’ity orinasa ity araka izany ny tenany mba hampiodina ny orinasa ary hijery vahaolana maharitra ho an’ireo mpiasa voakasika ireo. Tokony ho tonga saina ihany koa hoy izy ny Fitondram-panjakana ka hivory maika amin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra ary hitady vahaolana toy ny nitadiavana vahaolana ho an’ireo olona lasibatry ny kere avy any Atsimo tonga eto an-drenivohitra tsy maintsy nitadiavam-bahaolana satria samy Malagasy. Ao anatin’ny 48 ora no tokony hanaovana izany hoy hatrany ity sekretera jeneralin’ny sendika SVS ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.