Sosialy

Farihin’Anosy Efa tsy matahotra intsony ny mpanarato


  • Zoma 20 Septambra 2019

Tsy tahotra tsy henatra ny an’ireo olona manarato etsy amin’ny Farihin’Anosy toerana hivarinan’ny rano maloto avy amin’ireo faritra manodidina azy eto Antananarivo.

 

 

 Amin’ny andro atoandro be nanahary no hisian’izany eto amin’ity farihy ity, ary tsy misy tahotra sy henatra mihitsy. Asa na misy tompon’andraikitra ara-panjakana mahita ihany na tena tsy misy mahita, kanefa efa matetika no ahitana izany eo. Fampihinana maloto tsotr’izao sy famosaviana ny mpiara-belona, ka mendrika ny hosamborina sy homena ny sazy faran’izay mafy ireo mampihinana maloto ny Malagasy tahaka izao. Io no isan’ny antony tsy hananan’ny olona fitokisana amin’ny fividianana trondron’ny Renivohitra fa sao noharatoina tetsy Anosy na teny amin’ny Marais Masay. Zary lasa manimba ny fiveloman’ireo hafa izany tsy fahatokisana izany. Andrasana ny fandraisana andraikitra hentitra eo anatrehan’ity toe-javatra mamoafady ity.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT