FARI-PIAINANA

Mitombo isa hatrany ireo Malagasy sahirana


  • Alakamisy 15 Febroary 2024

Manodidina ny 70 isan-jaton’ny malagasy no nosokajiana ho tao

anatin’ny Classe moyenne na ny saranga eo anelanelan’ny Manankatao sy ny sahirana ny taona 2007.Ankehitriny zara raha misy ny 10 isan-jaton’ny Malagasy sisa no ao anatin’ny classe moyenne satria nitombo isa be ireo sahirana sy mahantra tato anatin’ny 15 taona . Tsikaritra isan’andro izay eny an-tsena rehefa mividy zavatra ny olona, tena vitsy vitsy amin’izao fotoana izany hoe olona mahavita manao tahirina vary amin’ny gony izany.Vidiana isan’andro ny vary 2 na 4 kapoaka hohanina. Raha ny loaka indray dia tena izay hahalaniana ny vary no tanjona fa tsy misy mijery intsony hoe manao ahoana ny kalitao, ara-pahasalamana ve.Atao bebe rony sy saosy ny loaka. Raha ny fitantaran’ny mpivaro-kena dia nihenahatrany amin’ny antsasany mihitsy ny vola miditra amin-dry zareo tato anatin’ny 2 taona teo izay. Raha tsy hoe amin’ny andro fety angamba vao hoe mividy hena 1 kilao izany ny ankamaroan’ny tokantrano. Eny an-dalambe eny dia maro ny olona tazana mandeha an-tongotra miasa sy mianatra satria misy fotoana tsy vita intsony ilay mandoa saran-dalana 600 ariary, indrindra moa raha mipetraka lavitra ka voatery tsy maintsy mifindra taxi be in-droa. Ny resaka hoe fizaham-pahasalama isany dia efa tsy ao anatin’ny fiainan’ny 90 isan-jaton’ny malagasy fa rehefa tena marary be sanatria hoe efa tena atahorana ny aina vao amonjy mpitsabo namandeha hopitaly. Io fahasahiranana io mampitombo ny asa ratsy sy halatra ary hery setra etsy sy eroa. Ary mamotika tsikelikely ny fiarahamonina.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT