Sosialy

Faran’ny herinandro Nanao ny nataony indray ny JIRAMA


  • Talata 19 Aprily 2022

Amin’ilay tapatapaka kely isaky ny iray minitra. Ny sabotsy teo fotsiny angamba no efa im-polo fara faha keliny indrindra izany ny tolakandro tokony ho nanomboka tamin’ny 1 ora

teo teny amin’iny boriboritany fahatelo sy ny manodidina iny. Tsy laitra indray ny fahatapahan’ny herinaratra ary amin’ilay tena manimba fitaovana maro. Tsy ny resaka herinaratra ihany anefa fa teo ihany koa ny resaka rano, raha ny fitarainan’ireo mpanjifa hatrany, fa dia nanao ny nataony indray aloha izany tamin’iny ny JIRAMA. An-taonany maro no efa naha maro koa ny vahaolana naroso mikasika ity tontolon’ny angovo eto Madagasikara ity saingy io iaraha-mahita hatramin’izao io moa ny fivoarany. Izay minisitra rehetra nandalo sy tekinisianina maro toa samy efa niaiky ihany fa tsy ampy intsony ny vaikan’izany mbola voatahiry ao amin’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy kanefa dia mampametra-panontaniana hoe inona izany no tsy hahafahana mamaha tanteraka ity olana ity hatramin’izao ?
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT