Sosialy

Farafangana Trano 1080 may kila , olona 1 maty


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2021

Olona iray no namoy ny ainy, trano 1080 no may sy rava vokatry ny haitrano tao amin’ny Fokontany Mahafasa Atsimo sy Mahafasa Andrefana, Kaominina Farafangana ny alin’ny zoma hifoha sabotsy.

 Nanomboka tamin’ny 10ora alina no nirehitra ny afo ary tsy nitsahatra raha tsy tamin’ny 3ora maraina. Tsy mbola fantatra mazava ny niandohan’ny afo. Nihazo any an-toerana ny tompon’andraikitra ara-panjakana, toy ny Minisitry ny mponina hijery ny zava-misy sy ny fomba hoenti-manampy ireo olona traboina. Any an-toerana ihany koa ny miaramilan’ny 5BLIG manao ny tomban'ny fahavoazana ary mametraka avy hatrany ireo tranolay hipetrahan'ireo traboina. Toy izany ihany koa ihany koa ny ao amin'ny 2UPC hanatevina ireo ao an-toerana amin'ny fanampiana sy fiarovana ny fananan’ny mponina amin'izay mety ho fanararaotana. Ankoatra io, nisehoana haintrano ihany koa tany Sambava centre, kaominina ambonivohitra Sambava omaly antoandro. Tsy manana fiara mpamonjy voina ny kaominina fa ny fokonolona no nifanome tanana namonjy tamin'ny fakana rano teny an-dranomasina namonoana ny afo, nandrodana ny trano teo an'ila tsy hihitaran'ny afo amin'ny trano manodidina, namoaka ny entana izay afaka novonjena. Ny mpitandro ny filaminana nanara-maso ny entana amin'ny mpanararaotra isan-karazany. Matetika no ahenoana hain-trano mahatsiravina any amin’ireny faritra mbola mirona kokoa amin’ny fanamboarana trano hazo na akora mora mirehitra ireny. Mila dinihina akaiky ny fomba ahafahana miaro amin’ny haintrano, toy ny firosoana tsikelikely amin’ny trano biriky na akora hafa tsy mora mirehitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT