Sosialy

Farafangana Nifampitadiavana ny solika fandrehitra


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Sahirana tanteraka tamin’ny fitadiavana solika fandrehitra na ny « pétrole » ny mponina tao amin’ny distrikan’i Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana.

 

 

Tsy nahitana io solika io mantsy na teny amin’ny toby mpaninjara na teny amin’ny mpivarotra enta-madinika. Voalazan’ny  vaovao koa fa tsy mahatakatra ny vidin’ny labozia ny olona noho  ny tsy fananam-bola. Ity solika fandrehitra ity, araka ny fantatra, dia ariary zato dia efa mahazo ary maharitra roa andro, hoy ny fanazavana. Ny any amin’ny tontolo ambanivohitra any amin’ity distrika ity moa no tena be  mampiasa azy io, ka izao sahirana amin’ny fitadiavana azy izao ny mponina any an-toerana.  Ankoatra izay, sahirana amin’ny famoahana vokatra toy ny jirofo, lavanila koa ny  any an-toerana, noho ny faharatsiana sy fahatapahan’ny lalana sy ny tetezana. Manao antso avo amin’ny minisiteran’ny asa vaventy noho izany ireo mpampiasa lalana. 

 

Sitraka r.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT