FARAFANGANA

Mananontanona ny mosary


  • Zoma 02 Mey 2025

Mananontanona ny mosary any amin’ny distrikan’i Farafangana any.

Raha araka ny fantatra mantsy dia tapitra potika vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza tamin’ny taona 2024 avokoa ny ankamaroan’ireo foto-drafitrasam-pambolena any an-toerana. Ny hany vokatra mihangana potiky ny haintany sy ny orambe ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro hany ka very fanahy mbola velona ireo foko Zafisoro. Tokony hahatratra indroa isan-taona izy ireo no manetsa saingy tsy misy intsony izany nanomboka tamin’ity taona 2025 ity. Hisy araka izany rahampitso Sabotsy 03 May ny fivoriana hotanterahin’ireo foko Zafisoro monina eto Antananarivo mba hitadiavam-bahaolana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanentanana ireo tantsaha mba hampiasa zezika, fivoarana izay mbola tsy niainan’izy ireo mihitsy. Toraka izany ny fampiasana masomboly voafantina. Hentanina mba tsy handoro tanety sy hanao tevy ala ihany koa ny mponina ho enti-miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tsiahivina moa fa efa tafakatra 1000 Ar mahery amin’izao ny kapoakam-bary any amin’ity distrika iray ity.
Pati
Legende : Nofy sisa ny fananana foto-drafitrasa ara-pambolena tahaka izao any Farafangana !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT