Sosialy

Fantson-drano lo sy simba Raikitra amin’izay ny fanoloana azy


  • Talata 28 Janoary 2020

Hiroso amin’ny fanoloana ireo fantsona lo, mahatonga fahaverezan’ny rano betsaka eto Antananarivo ny JIRAMA.

 

 

 

 

 

Amin’ny herinandro ambony no higadona eto Madagasikara ireo teknisiana avy amin’ny orinasa Afrikanina tatsimo TRG International Pipeline Company Ltd., mpiara-miasa amin’io tetikasa io. Fantsona mirefy 90 km eto Antananarivo sy ny manodidina no kendrena amin’izany. DN 100 sy DN 150 mirefy 10 km amin’ireto toerana ireto no hanombohana ny asa toa an’Ambanidia, Ambondrona, Ambodifilao, Ambohimitsimbina, Faravohitra ambony, Antaninandro, Ampandrana, Ankadifotsy Befelatanana , Antanimora Ampasanimalo, Antohomadinika, Isotry , Ambatobe,… Hanaraka ny teknolojia avo lenta ny asa satria tsy hisy ny fandavahana arabe mandritra izany. Ampidirina amin’ny teboka iray ny milina matihanina hanala ny fantsona simba sady hampiditra ny fantsona vaovao. Marihana fa ny 40%-n’ny tambajotra mpitsinjara rano eto Antananarivo dia efa antitra sy tsy tomombana avokoa ka mahatonga ny olan’ny famatsiana rano amin’ny toerana maro. Aorian’ny fanatanterahana ny tetikasa dia azo antoka fa hihatsara ny famatsiana rano fisotro madio eto Antananarivo, tsy hisy intsony ny loto tafiditra any anaty fantsona ka mampiova ny lokon’ny rano. Notanterahin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny JIRAMA omaly ny latabatra boribory nentina nandinihina izany.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT