Sosialy

Fantson-drano eny Ampasika Tapahan’ny kamiao Sinoa isaky ny zoma alina


  • Alarobia 14 Jona 2023

Misy kamiao 12 metatra miditra eto amin’ity lalana miditra ny labatoaran’Ampasika ity matetika isaky ny zoma hariva, hoy ny fitarainan’ireo mponina eny an-toerana ny sabotsy teo.

Manimba ity fantson-drano ity sy manapaka ny rano eto izany ka mampijaly ny vahoaka ety an-toerana, hoy ny mpitarika fikambanana iray eny an-toerana, Lova Andrianjaka, nisolo tena ireo vahoaka. Amin’ny 5 ora hariva ilay kamiao no miditra eto ary amin’ny 8 alina vao afaka, hoy izy. Tapaka daholo izay tsy ho tapaka ka mampanontany hoe moa ve tsy misy lalàna mametra ny lanjan’ny fiara tokony hiditra amin’ny toerana tahaka itony satria dia iaraha-mahita fa tsy tokony ho atonona izay refy sy lanja izany mihitsy izao toerana izao? Entan’ny sinoa no entin’io kamiao io miditra eto kanefa tsy raharahian-drizareo akory ilay fantson-drano rehefa potika fa ny vahoaka ety ihany no manamboatra azy rehefa sabotsy maraina toy izao. Manao antso avo izahay mikasika ireto kamiaona sinoa miditra aty ireto. Tenenina amin’ny fahasimbana ry zareo dia milaza fa tsy mahatapaka fa mpanofa fotsiny ihany. Isak’izay zoma izay izany dia tapaka adin’ny 3 foana ity lalàna ity. Mitohy amin’ny fahatapahan-drano, ankoatran’ny delestazy. Nanapa-kevitra ny fokonolona fa hibahana ity lalana miditra ny abatoara ity raha mbola miditra eto ireo kamiao ireo. Mangataka ny fandraisan’andraikitry ny kaominina aloha izahay. Azo idiran’ny kamiao mihoatran’ny 9 taonina ve aty? Zoma im-pito teo izao ireo no niditra teto ary manimba zavatra foana isaky ny mandalo, hoy hatrany ny tenany. Izahay izao lasa tsy misy karama foana rehefa sabotsy amin’ilay rano tapaka noho io zava-misy io, hoy kosa ny ramatoa mpantsaka rano iray eny an-toerana, Hoby Rafanomezantsoa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT