Sosialy

Fanovana faktiora Karohina i Ericka, efa nahazo 16 tapitrisa ariary


  • Zoma 11 Martsa 2022

Niasa tamina orinasa lehibe iray ary miandraikitra ny vidina entana no ataon’ny vehivavy iray izay namoahan’ny polisim-pirenena filazana fikarohana omaly.

 Ericka no fiantso azy ary 35 taona ny tenany, hoy ny fampahafantarana. Fetsifetsy izy satria hovainy ny faktiora ary ataony hosoka ny tonga any amin'ny mpanjifa ka ampitomboiny ny vidin'ny entana. Vola mitentina 16 tapitrisa ariary no efa azony. Nisy ny fitarainanan'ireo mpanjifa ary rehefa nijery izany ny tompon’andraikitra dia nahatsikaritra ny asa ratsy nataon'ity vehivavy ity. Ity farany izay efa tsy namonjy ny asany intsony ary efa nandositra ka tsy hita ny misy azy. Toy izao ny momba azy : Anarana : Randrianarison, Fanampiny : Haingotiana Frederica,Toerana nahitana azy farany : Lot AK 08 Ankadikely Ilafy. Iangaviana izay mahita na mahalala azy mba hampandre ny polisy ekonomika etsy Ambohidahy na koa hiantso ny laharana : 034 66 644 99. Ny polisim-pirenena dia manome toky fa tanana ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao. Ampahafantarina ny rehetra fa izay mampiantrano na mitahiry na manafina olon-dratsy dia naman’ny mpiray tsikombakomba aminy ka tsy maintsy hohenjehana araka ny lalàna, hoy hatrany ny fanampim-panazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT