Sosialy

Fanotorana tany eny Ankazomanga sy Andranomahery Hamoahan’ny CUA didy fampiatoana


  • Zoma 16 Novambra 2018

Noho ny fitarainan’ireo mponina amin’ny faritra iva eto Antananarivo Renivohitra amin’ny fanotofana tany tsy ara-dalàna ka miteraka sahady rano miakatra amin’ireny faritra iva ireny, dia nidina ifotony teny Andranomahery- Ankazomanga Boriborintany faha-6, sy teny Amboditsiry-Marais Masay Boriborintany faha-5, ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.

 

Nanapa-kevitra ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo fa haato aloha ny fanotofana tany ka namoaka didy fampiatoana ny asa ny Kaominina mahakasika izay satria miteraka fiakaran’ny rano. Nanambara ihany koa ny sekretera jeneralin’ny Kaominina Heriniaina Razafimahefa fa mila aato izany amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Ny tombontsoan’ny vahoaka madinika mipetraka amin’ny toerana iva no jerena, ka tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra ny kaominina, hoy ny filohan’ny Filankevitry ny tanàna, kolonely Faustin Andriambahoaka dia izay fampiatoana ny asa fanatofana izay. Raha ny fitarainan’ny mponina teny an-toerana dia amin’ny alina amin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina no manao fanotofana ireo kamiaobe, ka tsy ahitan’izy ireo tory. Ny fihovitrovitry ny tany ateraky ny fandalovan’ireo kamiao mpitatitra tany ihany koa dia miteraka fitresahana ho an’ireo trano manodidina izay vita amin’ny biriky tany avokoa. Nisy ihany koa fianakaviana efa nanomboka nanetsa, nefa dia  voatery tsy maintsy nesorina ireo ketsa efa vita satria voalaza fa hototofana anio alina ny tanimbary. Nankasitraka izao fanapahan-kevitra noraisin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra notarihan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana izao ireo mponina tamin’ny faritra iva teny Ankazomanga-Andranomahery sy teny Amboditsiry- Marais Masay.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT