Nohenjehin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy mpanao politika ekipany i Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2008 momba ilay tetikasa goavana fampanofana tany amin’ny
orinasa Koreanina Daewoo Corporation. Fambolena katsaka sy “palmier” hahazoana menaka no saika hataon’ilay orinasa, izay nisy fampiasam-bola 6 miliara dolara sy famoronan’asa 70 000. Nosakanana sy natao fitaovana nentina nanonganam-panjakana io. Nilaza mihitsy i Andry Rajoelina ny 10 febroary 2009, tao amin’ny gazety Jeune Afrique fa “ny Daewoo, dia anisan’ny mampalahelo ny vahoaka. Manameloka ny fifanaovan-tsonia aho ary ny governemanta sy ny filoham-pirenena indrindra indrindra. Araka ny fomban-drazana, voarara ny famarotana na fampanofana tany amin’ny vahiny”. Resa-be tsy nety vita isan’andro ny fivoizana an’io, ka tena nampangaina hoe mpamadika tanindrazana i Marc Ravalomanana. Izao ho avy ny tetikasany “Tanamasoandro”, izay mpanam-bola vahiny no andrasana hamatsy an’io. Efa nanasa ny lohan'ny olona 10 taona lasa i Andry Rajoelina dia izao anefa tsy te hahalala ny fanoherana sy fankasitrahan’ny olona fa miantehitra amin’ny fanilihana ny olona amin’ny taniny noho ny filan’ny fanjakana ny tany na “expropriation pour cause d'utilité publique”. Raha hanao fampitahana anefa isika, dia tany tsy mbola voajary no saika hampiasain’ny Daewoo tamin’ny ankapobeny, raha tanin’olona efa voajary ny 1000Ha hototofan’ny fanjakana hanaovana ny Tanamasoandro. Tsy misy tsy miverina ny zavatra nanakianana sy nanenjehana ny fanjakana tamin’izany. Azo tsaraina amin’ny teniny ny filoha ankehitriny hoe: marary amin’ny olona ny taniny, ka na iray metatra tora-droa aza no kitihina eo, dia mety hanahirana sy tsy hahafaly ny vahoaka. Manomboka miverina aminy ny nataony. Asa aloha izay hiseho fa mifototra amin’ny fampiasana volabe ny politikan’ny fanjakana na hampiasa hery hamonoana afo eo anatrehan’ny toe-javatra mafampana. Mafy fototra ny fitondrana Arema sy TIM fa nirodana. Ny Fanjakana Rajoelina sy ny MAPAR tsy mafy fototra noho ireo ary matetika no diso famindra sy hita hoe manao zavatra tsy am-piheverana loatra .
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.