Sosialy

Fanotofana bontolo an’Ambohitrimanjaka Hisy voka-dratsy tsy voafaritra ho an’ny fanjakana


  • Alatsinainy 18 Novambra 2019

Hisy voka-dratsy tsy voafaritra ho an’ny fanjakana repoblikanina ny fanotofana bontolo an’Ambohitrimanjaka sy ny manodidina,

 

 indrindra raha tsy manatona ny taranak’Andriamasinavalona izay tompon’iny faritra iny izy ireo mba hanaovana ny fomba, hoy Ny Andriana Robert, amin’ny maha raiamandreny ara-drazana azy eto Antananarivo. Ny tantara ara-drazana sy ny fanjakana repoblikana mihitsy mantsy no nambarany fa mifandona ka raha tsy maintsy hisisika iretsy voalohany hampiasa ny fahefam-panjakana hananany dia tsy maintsy tanteraka izany. Eo an-daniny kosa anefa, hoy izy dia tsy maintsy alahelo ary mety hanozona mihitsy aza ireo tompon-tany, antony tsy hahafaritana ny voka-dratsy mety haterak’izany eto amin’ny firenena. Nomarihin’Ny Andriana Robert fa fari-bohitra manan-tantara Anosimanjaka sy Ambohitrimanjaka teo amin’ny fanjakana Merina. Tsy afa-misaraka koa, hoy izy Anosimanjaka sy Ambohitradrimo satria renivohitr’i Marovatana izay fefin’Andriamasinavalona sady mitarihiry ny fiandrianana sy ny hasim-piandrianana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT