Sosialy

Fanorenana tsy ara-dalàna eny 67 Ha Mampatahotra ireo mponina


  • Zoma 15 Febroary 2019

Mampitaraina ny vahoaka monina eny amin’ny 67ha Ankasina ny fisian’ny trano iray miorina tsy ara-dalàna eny an-toerana.

 

 Nanambara ny mponina fa efa najanon’ny kaominina io fananganana trano io tany am-boalohany saingy ninia nanohy hatrany ny tompony. Tsy manana fahazoan-dalana hanorina akory hoy izy ireo ny tompon’io trano io kanefa efa mananika ny fahadimy ny rihana. Ny tena mampanahy ny mponina dia tsy misy andry akory ity trano ity fa ezahina lalorina fotsiny ka atahorana hirodana mihitsy. Mety hitera-doza satria na ny trano aza dia hita ho mitongilana be rehefa jerena aty ivelany. Ny mampalahelo ny mponina ihany koa dia isaky ny manao fitarainana izy ireo dia tsy misy akony fa hoe olom-boafidy no tompon’io trano io. Miantso ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny kaominina izy ireo handray ny andraikiny manoloana izao tranga mety hitera-doza izao.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT