Ny fanotofana tany sy ny fananganana trano samy tsy misy fahazoan-dalana no anisan’ny olana goavana momba ny lafintany an-drenivohitra.
Mahakasika ny fananganana trano dia efa ny 85%-n’ny faritra avo eto Antananarivo amin’izao no tsy tokony hipetrahana intsony. Sahiran-tsaina ihany koa ny faritra iva indrindra fotoam-pahavaratra. Maro ny olona no tsy mahafantatra ny tokony hataony amin`ireo dingana tokony harahina rehefa manorina trano noho ny tsy fahampiana fanabeazana avy amin`ireo tompon’andraikitra. Mba firy amintsika no efa mahalala izany fenitra mikasika ny fanamboarana trano eto Madagasikara izany ? Nahoana no tsy mba nampahalalana ny olona hatramin'izay, fa navela nanorinorim-poana ny vahoaka dia rehefa avy eo lazaina fa tsy manara-penitra ? Raha ny lalàna dia tsy maintsy hanaovana fangatahana alefa eo anivon’ny kaominina ny fanorenana. Ny kaominina ihany no tompon’andraikitra mahefa amin’ny fanomezana ny fahazoan-dalana hanorina raha trano latsaky ny rihana telo. Raha mihoatra izany kosa ny isan`ny rihana dia ny minisiteran`ny fanajariana ny tany sy fananan-tany no miandraikitra izany. Marihina fa tsy mahasolo ny fahazoan-dalana manorina mihitsy ny fanomezan-dalana avy amin’ny fokontany. Ny olona aza manao izay tiany fa any amin`ny tompon’andraikitra mpandamina angamba no mipetraka ve ny olana ? Ny trangan-javatra tahaka izay ihany no antony namoizana ny ain’olona. Toa samy manao trano daholo amin’ny endriny izay hitiavany azy mantsy ny rehetra kanefa ny drafitry ny fanajariana ny tanàn-dehibe no mamaritra ny fepetra ahafahana mitantana ny fanajariana sy ny fivoaran’ny tanàn-dehibe. Ny drafitry ny fanajariana ny tanàn-dehibe ifaharana no mamaritra ny ho fanokanana amin’ny ankapobeny ny tany sy raha ilaina, ny karazana sy soritsoritry ny fampitaovana goavana aminà fotodrafitrasa, indrindra manokana mikasika ny fitaterana, ny fanondroan-toerana ny hisy ny fisahanan’asa aman-draharaha mavesa-danja indrindra. Manoloana ny fitomboan’ny mponina sy ny zavatra ilaina amin’ny toeram-ponenana, asa sy fampitaovana, dia izy no mametra ny sori-dalana ankapobeny itondrana ny fitaran’ny tanàn-dehibe sy ny fanavaozan-drafitra amin’ny faritry ny tanàn-dehibe. Ny lalàna angamba misy fa ny fampiharana azy no tsy ampy ve ? Raha tokony ho izy tsy mahazo manorina mihitsy izay tsy manana fahazoan-dalana. Fantatra mantsy fa tany malalaka no matetika no tsy eken’ny mponina fa trano tsy nahitana olana, izay miisa 5 hatramin’ny 2010 no ho mankaty.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.