Sosialy

Fanorenan-trano Mitombo isa kanefa ny firenena miha mahantra


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Mitombo isa hatrany ny mpivarotra kojakoja fanamboarana trano eto an-drenivohitra na any amin` ny faritany aza. Midika izany fa mandeha ny tsena ary hahazoana tombony.

 

 

 Mampametra-panontaniana ihany anefa ny fananganan-trano maro misy, indrindra eto Antananarivo. Raha ny fanadihadiana natao, tsara ny manorina trano amin`izao vanim-potoana fahavaratra izao satria misedra izany ny fototra, izany hoe manomboka tamin`ny volana desambra hatramin` ny volana aprily. Ny akora fototra toy ny vato malao, vatokely, fasika, simenitra, vy no tena mandeha amin`izao ary ny orinasa tsy miankina no tena mahita ny tsenan’asa amin`izao. Ny vidin-tsimenitra dia 30.000-33 000 ariary ny iray lasaka. Vy karazana telo no tena mandeha amin`izao: fer 8 (16 000 ariary), fer 10 ( 24 000 ariary), fer 12 ( 28 000 ariary). Ny vy vokarina any Torkia sy Afrika Atsimo no tena be mpanjifa. Tsara ny tsena na dia nandalo matetika aza ny rivodoza tato ho ato, hoy ny mpivarotra nanaovana fanadihadiana. Tena mahavarina tokoa fa maro ny asa fanorenana trano nefa ny firenena miha mahantra. I Madagasikara dia voasokajy anatin’ireo firenena mahantra indrindra eran-tany, dia sarotra sy manahirana ny hiresaka ny harena izany. Fandre matetika fa 80%-n’ny malagasy dia mivelona amin’ny latsaky ny 1 dolara monja isan’andro. Maro no mitaraina fa sahirana amin’ny fivelomana kanefa misy kosa no manam-bola, midika izany fa midangana hatrany ny elanelana misy eo amin`ny mahantra sy ny mpanankarena.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT