Sosialy

Fanoratana ny tany Mbola sarotra ny fombafomba eto Madagasikara


  • Alarobia 18 Desambra 2019

Atrikasa hanamorana ireo fombafomba hanoratana ny taratasin-tany no natao tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina.

 

 

 

 Nisy mihitsy ny raki-tsary fanadihadiana nojeren’ireo mpisehatra rehetra nanaporofoana ny fahasarotan’ny fanoratana ny tany eto Madagasikara. Ankoatr’izay  dia nivoitra tao ihany koa ireo  olana sy disadisa mahakasika ny fananantany. Na dia maro aza mantsy ireo torolalana manokana navoaka dia sahirana ny Malagasy manoratra ny taniny sy mahazo ny kara-taniny. Mbola miteraka olana ihany koa ny tsy fahampiana sy ny tsy fampiharana ireo lalàn’ny fananantany misy eto amin’ny firenena. Atrikasa fampahafantarana ireo dingana hatao hanamorana ireo fananana kara-tany sy kadasitra ary ireo taratasy maro mahakasika ny fananantany no nohazavaina ary tonga nanatrika izany ny minisitry ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo. Novelabelarina tao ihany koa ny vokatry ny fandaharan’asa ARSF (Appui à la Réforme et à la Sécurisation Fonçière) izay naharitra 3 taona. Nivoitra fa hasiana marika manokana ny kara-tany manomboka izao ho an’ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara na dia faritra vitsy aza aloha no natao andrana.

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT