Sosialy

Fanongotana mason-jaza 7 lahy no nampidirina am-ponja any Toliara


  • Zoma 27 Mey 2022

Tsy misy atahorana intsony ny ain’i Gaston kely ilay zazalahy nisy nanala tany amin’ny distrikan’i Manja ny voamasony ilany andro vitsy lasa izay.

Ny ministeran’ny mponina no niantoka ny fandaniana rehetra tamin’izany raha tao amin’ny CHU Tanambao Toliara no natao ny fandidiana. Mpianatra very tany Fianarantsoa moa i Gaston kely raha tsiahivina. Fiara miloko mena no nambarany fa nitondra azy sy ireo namany nitsoaka. Efa niraviravy ny ila-masony havia no tafaporitsaka izy ka nisy nanavotra. Fantatr’i Gaston kely avokoa moa ny anaran’ireo olona 3 lahy nanala ny masony. Eo an-daniny nanao ezaka ny mpitandro ny filaminana ka fito lahy no efa voasambotra voarohirohy amin’ity resaka halatra maso any Toliara ity. Efa nampidirina am-ponja vonjimaika izy ireo. Tsiahivina moa fa rehefa nosavaina ny tranon'iray tamin'izy ireo dia nahatratrarana voamaso efa maina sy zava-maranitra toy ny forsety...Mbola karohina koa ireo naman'izy ireo hoy ny Talem- paritry ny filaminam-bahoaka any amin'ny Faritra Atsimo Andrefana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT