Sosialy

Fanondranana olona mankany Mayotte Niara-tratra ny mpandeha 44 sy ireo atidoha


  • Talata 12 Oktobra 2021

Olona miisa 46 saika hiondrana handeha an-tsokosoko ho any Mayotte no voasambotry ny zandary, ka ny 44 tamin'ireo dia mpandeha ary ny 2 kosa mpanamory sy mpikarakara iray.

Tao amin'ny CR Bemaneviky Ouest no nahatrarana izy ireo, tao koa ny sasany efa tany anaty ranomasina no voasambotra. Ny zandarimariam-pirenena no nanao ny fisamborana vokatry ny fanomezam-baovao avy amin'ny tsara sitrapo. Tamin'ireo olona voasambotra ireo dia zaza tsy ampy taona 12, ka ny 2 mbola minono. Nisy vola 13 tapitrisa ariary. Nisy mpikarakara roa hafa no nanaovan'ny zandary velam-pandrika , ka tonga nitondra vola 13.000.000 Ar saika omena ny zandary handravana ny raharaha. Nosamborina avy hatrany izy roa ireo, iray vehivavy , iray lehilahy. Ny fanondranana olona antsokosoko, ny kolikoly, ny fandehanana mivoaka sisin-tany tsy ara-dalana no anisany hiampangana azy ireto. Asa efa fanaon’ izy ity fanondranana olona ity. Hita tamin'ilay botry nitondra olona ireo “moteurs” telo, ary nahitana lasantsy 1080 litatra ihany koa. Efa nisy ny fisafoana natao talohan'izao fa saingy tafitsoaka izy ireo , fa ny 9 octobre teo no niverina indray ary saika hiainga ny 10 oktobra ka izao tratra izao. Mitohy ny fanadihadiana ary hatolotra ny fampanaovana izany raha vao vita, araka ny nampitainan'ny Lieutnant Colonel TOVOSON Andriantsiriniaina Jules, commandant groupement de la gendarmerie nationale DIANA.


Tsy vao izao ity resaka fanondranana sy fiondranana an-tsokosoko any Mayotte ity. Vao ny alin’ny 18 septambra 2021 teo no nahatrarana olona miisa 120 nandeha tamin’ireny sambokely Kwassas ireny miisa 6 tratra tany Mayotte, ka ny 5 tamin’ireo olona no mpampita ireo mpitsoa-ponenana. Ny 53 tamin’ireo no dia teratany Malagasy, izay naverina taty Madagasikara tamin’ny alalan’ny fiaramanidina, ary narahina polisy mpiambina ny sisin-tany (PAF) avy any Mayotte ny famerenana azy ireo teto Madagasikara. Io indray fa misy andiany hafa tratra, izay mazava fa tena efa mandeha be ity fifindra-monina an-tsokosoko ity.
Toky R sy Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT